- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Miparitaka ny fanamiana mpitandro ny filaminana.

Maevatanàna : Miparitaka ny fanamiana mpitandro ny filaminana.

Tsy misy fandraisana andraikitra intsony ary mahazo vahana tanteraka, ny fiparitahan’ny fanamiana mpitandro ny filaminana na ( Tenue Camoufleé sy Vert  armé) any amin’ny tsena rehetra, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy mifidy io : na ambanin’akanjo, na pataloa, na kilaoty fohy, na satroka, kasikety, na an-dahy na am-bavy, dia mitobaka tanteraka ankehitriny. Mampanontany tena ny rehetra ny fahitana azy ireny, ary mby ao an-tsaina avy hatrany ny mety hampirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana indray izany. Iraha- mahalala fa, efa miandahy, mianbavy izao ny asan-dahalo sy ny fanafihana maro samihafa eto Maevatanàna, tamin’ny taon-dasa sy amin’ity taona ity. Tsy mbola voafehy izy io raha ny ato amin’ny faritra Betsiboka no resahina. Indrindra fa miampy ity fiparitahan’ny fanamina mpitandro ny filaminana ity indray vao mainka mampivarahontsana ny olona rehetra eto an-toerana izany. Ary iza marina moa no miandraikitra izany, ny eo anivon’ny Minisiteran’ny varotra, sa ve andraikitry ny Minisitera misahana ny mpitandro ny filaminana ny handray andraikitra amin’izany ? Andrasana izay mety ho fanazavana sy fandraisana andraikitra, ny tompon’andraikitra eto an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici