- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mirongatra ny tsy fandriampahelamana

Maevatanàna : Mirongatra ny tsy fandriampahelamana

Tamin’ny alarobia lasa teo, dia sahotaka tanteraka tany an-toerana. Tao amin’ny fokontany  iray antsoina hoe Antsakoamamy, Kaominina Maevatanàna faharoa, no nisehoan’ity, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina, no tonga tao ny jiolahy efatra. Nitondra basim-borona iray ary tena nampiasainy izany nadritra ny fanafihana. Omby tao am-bala no saika lasan’izy ireo tamin’izany, soa ihany fa nalaky mailo ny mponina teo an-tanàna. Nanao tifi-danitra avy hatrany moa ireo malaso, rehefa fantany fa hanohitra azy ireo ny fokonolona. Vaky nandositra izy ireo ary nianandrefana ny dian’ireo mpangalatra. Nidina tany an-toerana malaky ny polisim-pirenena avy eto Maevatanàna, nanao ny fanarahan-dia sy nanao ny famotorana ary hanao ny fikarohana ireo jiolahy. Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo any an-toerana, raha ny fanazavan’ireo fokonolona, fanindroany no tonga tamin’ny Alarobia teo, tanatin’ny volana janoary monja izay. Raha ny fangatahan’ny mponina any Antsakoamamy, dia mety kokoa amin’izy ireo raha ny miaramila «DAS» no haverina miasa any mba hiverenan’ny fandriampahalemana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici