- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mirongatra ny vaky trano

Maevatanàna : Mirongatra ny vaky trano

Sesilany indray ny vaky trano eny amin’ireo fokontany maromaro eto Maevatanàna an-tapon-tanàna. Tokantrano maro no lasibatra, hatramin’ny fiandohan’ny volana Oktobra sy ny volana Novambra no ho mankaty. Ankoatra ny fitaovan-dakozia sy ny vorona isan-karazany dia alain’ireo mpangalatra ny fahitalavitra sy ireo fitaovan-tokantrano lafo vidy, toy ny solosaina. Tsy re tsaika ireo mpangalatra raha ny voalazan’ireo niharam-boina fa ny trano efa voaroba sy ireo entana banga amin’ny maraina vao samy mikoropaka ny rehetra. Raha ny tao Ambodimadiro izao dia kojakoja an-dakozia samihafa kosa no nasesin’ireo olon-dratsy.Ny fokontany Ambodimadiro dia andrenesana tranga vaky trano sy hala-botry matetika. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ambony sy ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny resaka vaky trano izay mateti-pitranga eto Maevatanàna ny mponina.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici