Manombaka mahazo vahana an-kehitriny ny asan-dahalo miseho eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, satria tao anatin’ny alina iray sy ora mitovy no nanesen’ireo malaso ny omby tao anaty vala, izay narahana poa-basy sy naharatrana olona iray, voafira famaky teo amin’ny hatony, tao amin’ny fokontany roa samy hafa: Anosikely avaratra sy Ambatofotsy no nisehoan’izany ny Alatsinainy faha 26 Aogositra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-misy marina dia tahak’izao manaraka izao ny zava-niseho, tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, dia jiolahy niisa telo no nisy nahatsikaritra manodidina ny valan’omby iray, ao ambadikan’ny » Epp Rabe Alphonse, » tokony tamin’ny ora voalaza etsy ambony, ka ny tompon’omby no nahatazana azy ireo tao anaty trano, sady nanokatra ny varavarana moramora. Nitodika nianan-drefana ny jiolahy iray nanao saro-tava niaraka tamin’ny vato sy sabatra. Ireo namany kosa niditra am-boletra nitondra ny omby vavy miisa efatra. Tsy nahasahy nivoaka trano, ilay lehilahy nahatsikaritra azy ireo, nohon’ny tahotra. Vetivety teo anefa dia lasa nitsoaka nitondra ny omby halatra ireto farany. Taorian’izay vao niantso vonjy ny tompon’omby, ary nanohy ny fanarahan-dia nalaky ny fokon’olona. Efa lasa lavitra moa ny jiolahy, saingy efa tsy tratra intsony, fa ny omby roa ihany no latsaka teny am-pitondran’ireo malaso azy, ka hitan’ny mpanara-dia. Teo no niverin-dalana izy ireo, rehefa hita sy tsy azo intsony ireo malaso nitondra ny omby roa ambiny. Ny alin’io ihany koa dia nisehoana fanafihan-jiolahy mitambasy ny tao amin’ny fokontany Anosikely avaratra. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia jiolahy niisa dimy no nanatanteraka ny asa ratsy tao amin’io fokontany voalaza etsy aloha io, ka niditra am-boletra tao anaty valan’omby tsy nisy hatak’andro izy ireo. Lehilahy lehibe iray tao anaty trano no nahatazana azy ireo, ka taitra ireto farany raha nahita an’io zokibe Ray aman-dren’io no nitifitra vavan’iray tamin’ny alalan’ny poa-basy. Nitsoaka nisaoty varavarakely ilay lehilahy fantatra ny maro amin’ny fiantso hoe: papan’i Taickle. Nihazakazaka hikapa famaky azy ny dahalo iray, soa ihany fa nisolifatra teo amin’ny hatony ilay famaky, saingy mbola tafavoaka ihany ity farany no niantso vonjy. Nifamory nalaky ny fokon’olona teo amin’ny manodidina mba hanao ny fifanakonana amin’ny fifanomezana tanana amin’ny mpiara-beloana, saingy efa lasa lavitra nitondra ny omby roa tao am-bala ny malaso. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ireo vatan-dehilahy, ka fito minitra nisehoan’ny fanafihana dia latsaka tampoka teny ampitondran’azy ny omby lahy iray. Ny marainan’ny Atalata faha 27 Aogositra taona 2024 teo dia hita tany an-tsahy ihany koa ny omby vositra iray. Mety ho tery tokoa ny lalan-kizoran’ireo malaso no nahatonga ny omby latsaka eny an-dalana, satria efa nahazo antso ara-potoana tokoa ireo vatan-dehilahy monina amin’ny tanàna any ampitan’ny reniranon’ikopa. Efa nahazo fitsaboana sahaza eny amin’ny hopitalibe Morafenokely/Maevatanàna ilay lehilahy voafira famaky. Raha fitinina ny tena zava-nisy tamin’izao asan-dahalo niseho tao amin’ireo fokontany roa samy hafa ireo, dia mety jiolahy ekipa iray ihany no nanatanteraka izao asa ratsy izao. Tsara hatrany ny mampahafantatra fa misy polisy miamby isak’alina ny ao amin’ireo fokontany roa ireo, saingy tsy mahasakana ny asa ratsin’ireo olon-dratsy izany.
Ratantely