Efa tsy hita intsony ny olona mba hantenaina, ankoatry ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, izay voafidy taty Maevatanàna. Izy no mba hitarainan’ireo mpitrandraka volamena madinika sy mamela azy ireo, hiasa mandram-pahitana vahalona amin’ny tsindry ataon’ireo teratany Sinoa momba ireo toerana fiasan’ireo Malagasy. Nandritra ny volana maro no nanajary sy nitrandraka volamena tao amin’ny ambavaranon’Anandrojia, ao amin’ny Mangan’i Marolahy, fokontan’Ambalarokely, kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny fokon’olona miisa 150 eo ho eo. Nahazo alàlana sy nanaovana fangatahana tamin’ny tompon-tany sy ny lehiben’ny fokontany aty an-toerana ny toeram-pitrandrahana volamena. An-kehitriny anefa dia milaza ny handroaka sy manao tsindry azy ireo ny » Sinoa Afrikà, » ary milaza fa manana an-tonta-taratasy avy any Antananarivo. Raha ny hita teny an-toerana tokoa dia manomboka manamorona ny toeram-pitrandrahana volamena misy ireo fokon’olona ireo teratany Sinoa. Noho izany dia manao antso avo ny mponina sy Tangalemana amin’ny tokony hijerena vahaolana maharitra, satria miankina amin’io asa volamena ao io no hivelomana sy ny hampianaran-janaka amin’ity taona ity, ary ny fividianana fitaovam-pianarana mbola etsy an-daniny. Manahy izahay fa misy ambadika izao fanesorana anay izao, hoy ireto farany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Ratantely