mercredi, avril 2, 2025
AccueilÀ lireMaevatanàna : Mitohy ny ady anaty akata

Maevatanàna : Mitohy ny ady anaty akata

Ny tananan’i Maevatanana.

Niampy roa  indray ny dahalo lavo, omby miisa 165 no tafaverina amin’ny tompony. Manakohako aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny fahafatesan’ilay manamboninahitra Zandary mitondra mitondra galona “ Lietinà“ izay maty nqndritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tany Antanifotsy-Kaomadio, fokotany Mahatsinjo, kaominina amabanivohitra Bemokotrà, ny Alatsinainy 22 Janoary 2024 tro, tokony mitataovovonana, ary omby miisa 165 no tafaverina amin’ny tompony ao Saridrano, fokontany Marofototra, kaominina Maevatanàna faharoa, izay nisehoany halatr,omby ny marainan’io andro voalaza etsy aloha io ihany. Raha ny angom-baovao voaray, ankoatran’ireo jiolahy roa maty voatifitra, dia niampy roa indray ny dahalo lavo hitan’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona nandritra savao nataon’izy ireo tao anaty “ Bararata“ amorony Nosy kely iray. Ny fampitam-baovao ihany koa no nahalalana, fa tsy nisy ny ainy nafoy tamin’ireo vatan-dehilahy nanao fanarahan-dia, araka niresaka niely etsy sy eroa. Telolahy izy ireo no vohamarina, fa naratra mafy voan’ny bala teo amin’ny “Feny sy Lohany,“ saingy efa nahazo fitsaboana azy eny amin’ny hopitalibe Norafenokely-Maevatanàna, ary tsy hatahorana ny ain’izy ireo, satria nahazo fitsaboana sahaza avy. Raha hiverenana moa ny halavirany fifampitifirana teo aminy dahalo sy ny Zandary, dia eo amin’ny 250 metatra eo, ka tifitra tokana nataon’ny malaso no nahafaty an’ilay Lietinà Brice. Tonga nitsapa halahelo sy nanatitra omby miisa roa hoan’ny fianakaviam-ben’ny Zanadary ny mponina avy ao Saridrano ho marika ny mari-piderana ny maty sy ny hezaka nahararaka ny omby nangalariny jiolahy. Ny vaovao voray teo eo anivon’ny Zandarimarim-pirenena dia hoentina any Fandriana ny nofoman-gatsiaka ny Lietinà Brice aoriany fanomezam-boninahitra azy eny amin’ny tobiny Zanadary aty an-toerana. Mitohy hatrany ny fanohizana ny farahan-dia sy hazalambo hoan’ireo olon-dratsy no efa mihatrana marobe any amin’ny kaominina Bemokotrà sy kaominina Mahazomà ny Zanadary amin’izao hamohanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici