Miverina mirongatra indray ny vaky trano eto Maevatanàna an-tapon-tanàna sy ny manodidina. Maro ny fitarainana heno etsy sy eroa. Hita fa mahazo vahana indray tato ho ato ny famakiana trano. Ny Asabotsy 26 Aogositra lasa teo, dia maromaro ny fokontany nandrenesana mahaakasika izany. Isan’izany ny tao Ambodivoina fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany. Nidiran’ny olon-dratsy tao ny tokantrano iray an-dRtoa kely Fara. Tafo fanitso « Galvan » enina miloko volontany” no very nandritra izany. Tsy fantatra mazava ny fotoana namakian’ny jiolahy ny tranony, fa Rtoa kely Fara avy natory tany amin’ny Papany no tonga maraina ka gaga raha nahita ny trano vaky, ny herinandro lasa teo. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny olona teo amin’ny manodidina. Tonga tany an-toerana nanao ny fizahana ny zava-niseho ny Zandary enin-dahy avy ao amin’ny borigady eto Maevatanàna. Fantatra, fa teo amin’ny varavaran-kely andrefana no nidiran’ilay mpamaky trano izay zavatra tiany halainy tao. Rehefa nojerena tao anaty trano dia nilamina tsara, fa tsy nisy nikorontana, hoy ny Zandary. Arak’ izany dia heverina fa mety ho efa hitan’ireo jiolahy ny fisian’ireo tafo fanitso tao, satria tsy naka zavatra hafa ankoatra ireo ny jiolahy. Efa mandeha avy hatrany kosa ny famotorana nataon’ny Zandary ka efa nisy olona nahiana tamin’ity raharaha ity. Fivarotana kely enta- madinika ihany koa nisy namaky tao Antanambao ka tapitra lasan’ireo olon-dratsy mpamaky trano avokoa ny entana izay zakany.
Ratantely