- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mpamaky trano saika niharan'ny fitsaram-bahoaka.

Maevatanàna : Mpamaky trano saika niharan’ny fitsaram-bahoaka.

Ny vaky trano indray no nahazo laka teto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna. Tokantrano maro no samy naharaisana fitarainana nandritra ny telo volana lasa iny. Ho tohin’ny fikarohana ireo olon-dratsy, izay efa nampitaraina ny mponina, ka nahaverezana entana sy kojakojan-dakozia maro, dia niroso tamin’ny fikarohana ireo jiolahy tsy mbola  voasambotra ny mpitandro ny filaminana aty an-toerana. Raha tsy nisy ny polisy dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka indray ilay tovolahy iray. Araka ny fanazavana azo, dia tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Maevatanàna voalohany ity lehilahy ity, ny Alarobia alina teo. Olona telo izy ireo no niaraka tamin’io ka raha iny resy tory iny teo amin’ny manodidina no nanaraotana sy nanaovan’izy ireo ny asa-ratsy. Tonga dia niditra an-keriny tao an-trano ireto farany. Soa ihany fa mailo ny tompon-trano. Taitra ity ramatoa iray raha nahita azy ireo ka niantso vonjy. Nitsoaka nandositra ireo ka nifanenjehan’ny olona. Tonga ihany koa ny mpitandro ny filaminana ka teo nahavoasambotra an’ilay tovolahy iray, fa tafatsoaka kosa ny namany roalahy. Sendra nisy polisy nanao fisafoana mantsy teo amin’ilay toerana tamin’io ka niditra an-tsehatra avy hatrany ireo raha vao nahita ny zava-nitranga. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici