- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Mpanao gazety voadaroka, miady aman’aina

Maevatanana : Mpanao gazety voadaroka, miady aman’aina

Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina? ny alarobia teo no niseho ny herisetra. Raha handeha hody i Tantely, solon-tenan’ny gazety maromaro ao Maevatanana, dia nisy lehilahy nanaraka. Rehefa nahazo maizimaizina ka nandeha nivalan-drano izy no nisy nitoraka vatobe ny lohany. Torana tsy nahatsiaro tena teo no sady feno rà nivoaka tamin’ny lohany sy ny orony. Soa fa mba nisy nahatsikaritra avy lavitra ny zava-nitranga. Mpiambina teo amin’ny manodidina no nihazakazaka namonjy ny ainy. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ary nanomboka teo dia nahiditra hopitaly. Omaly izy no nanomboka nahatsiaro tena, saingy mbola mitohy ny fivoakan’ny rà amin’ny tenany. Raha araka ny fanazavany, dia nitsoaka tao anaty ala ilay olon-dratsy taorian’ny nitorahany vato. Tsy hita arak’izany izay nanjavonany nanomboka teo. Fantatra ihany koa fa, tsy nisy na inona na inona very teny amin’ity mpanao gazety ity. Izany hoe tsy dia heverina loatra ho asan-jiolahy no nitranga. Matetika mitatitra ireny trangam-piarahamonina ireny  Tantely amin’ny lahatsoratra izay tateriny andavan’andro. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny raha nisy nifandraisany tamin’ny asany ilay zava-nitranga na tsia.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici