- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mpandraharaha voatapa-tenda, niampy roa ireo voasambotra

Maevatanàna : Mpandraharaha voatapa-tenda, niampy roa ireo voasambotra

Ankoatra ireo olona dimy efa nosamborin’ny zandary sy nadoboka am-ponja vonjimaika, dia fantatra fa niampy roa indray ireo olona voarohirohy noho ny resaka famonoana tamin’ny fomba feno habibiana mpandraharaha iray tao amin’ny kaominina Berivotra 5/5, any amin’iny distrikan’i Maevatanana iny. Izy roa lahy ireo dia fantatra fa isan’ireo tompon’antoka nandray anjara nivantana tamin’ny famonoana mihitsy, araka ny angom-baovao azo. Niaiky izany rahateo moa izy ireo, tao anatin’ny famotorana azy ary nilaza mazava aza fa ny iray tamin’izy ireo no nandidy sy nanapaka ny tendan’ilay mpandraharaha tamin’ny fotoana nifanenan’izy ireo taminy. Raha ny angom-baovao hatrany dia azo heverina fa resaka sotasota sy lonilonim-piaraha-monina ihany no nahatonga ity vono olona feno habibiana ity. Raha ny voalaza mantsy dia nisy mpandraharaha iray, izay isan’ireo olona dimy voasambotra tamin’ny voalohany, voatonontonona ho atidoha niketrika izany famonoana izany. Izy, izay nambara fa nanakaramana azy roa lahy ireto, 50 tapitrisa ariary hamono hahafaty amin’ny fomba mahatsiravina an’i Dina, ilay mpanangom-bokatra any amin’iny faritra iny. Marihina fa tamin’ny alalan’ny fikarohana tao anatin’ny findain’ity mpandraharaha ity no nahafahana nisambotra azy ireo, araka ny vaovao voaray hatrany. Marihina fa hatolotra eny anivon’ny Fampanoana eny Maevatanana anio izy roa lahy ireto. Raha izao fizotran’ny fanadihadiana izao dia azo heverina fa tsy mbola vita hatreo ny mahakasika ity raharaha ity. Ny fianakavian’ny maty rahateo mbola miandrandra hatrany ny fitsarana ny fianakavian’ilay namoy ny ainy, mba hanafay an’ireo nahavanon-doza ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici