- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mpianaka roa nitrandraka volamena maty tototry ny tany

Maevatanàna : Mpianaka roa nitrandraka volamena maty tototry ny tany

Nitrangana loza nahafatesana olona ny fitrandrahana volamena, tao amin’ny fokontan’ Ambodimanga Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa. Mpianaka roa lahy no maty tototry ny tany, tamin’ny Asabotsy 22 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tolakandro no fotoana nisehoan’ny loza. Tavela tany anaty lavaka lalina sahabo ho sivy metatra, izay efa tototry ny tany avokoa ny vatana sy lohan’izy mianaka ireo. Na dia teo aza ny famonjen’ireo olona teny amin’ny manodidina, dia tsy nahitambokan’izany. Raha ny fantatra, dia avy ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony, ireo olona roa maty ireo. Araka ny tati-bovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia efa nalevina tamin’ny Alatsinainy teo ny razana. Voalaza fa hoan-taonany teo izay no nisian’ity toeram-pitrandraha volamena ity, ary voasambany no nitrangana loza toa izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici