- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Mpirahalahy nifanindrona antsy, maty ny iray

Maevatanana : Mpirahalahy nifanindrona antsy, maty ny iray

Raikitra ny ady tany teo amin’ireto mpiralahy ireto ny Alakamisy lasa teo. Loza no niseho tany amin’ny fokontany sy Kaominina Madiromirafy, disitrikan’ i Maevatanàna. Mpiralahy mpiray tampo  mantsy izy roalahy ireo, ka tany an-tanimbary no niandohan’ny fifamaliana ary izao niafara tamin’ny tsindrona antsy izao, ary nitarika ny fahafatesan’ilay tovolahy iray antsoina hoe Bienvenue izay mbola mpianatra eny amin’ny Lycée Maevatanàna manomana fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ny lehiben’ny borigady eto Maevatanàna, resaka fifandisoan-kevitra momba ny tanim-boly no nampifanditra azy roa lahy ireto. Fantatra fa tanimbary mbola tsy nozarain’ny ray aman-drenin’ izy ireo, fa natao hambolen’izy roa lahy fotsiny no nahatonga izany izay tsy fantatra na nisy zara vilana na ahoana? Nanomboka tamin’ny fifamaliana am-bava teo izy ireo. Nianakatra ny hatezerana teo amin’ny roa tonta avy eo ka tsy nijanona hatreo izany no sady tezitra mafy ilay zoky ary tsy nahatsindry fo intsony, ka tonga dia nitsatoka antsy ny kibony ilay zandriny, teo nahaboraka tsinay ary nitarika fahafatesany tsy tra-drano. Tsy nisy afaka nanao na inona intsony ireo olona nahita izany teny an-tsaha. Fa nampandre miaramila « DAS» tany an-toerana mahakasika ity tranga ity. Ny Zandary avy ao amin’ny Borigady eto Maevatanàna no nidina nanao fizahana ifotony sy nijery ny zava-nisy tany an-toerana ary nisambotra ilay tovolahy nahavanon-doza, rehefa nahazo antso an-telefaonina tamin’ireo miaramila iero. Mitohy ny famotorana ataon’ny Zandary mahakasika ity raharaha ity, ary omaly Alakamisy tokony ho tamin’ny 03 ora hariva no natolotra ny fampanoavana ilay tovolahy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici