- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Mpitaingina moto maty latsaka tany ambany tetezana

Maevatanana : Mpitaingina moto maty latsaka tany ambany tetezana

Ny alatsinainy lasa teo teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4,PK249+800) tetsy amin’ny tetezana Marokoloy no nisehoana lozam-pifamoivozana iray. Lehilahy iray nitaingina moto nitondra zaza 4 taona sy 14 taona no tsy tafiditra tao anaty tetezana fa namantana tany ambany tetezana. Tsy nahafehy intsony ny familiana ity mpitondra moto fa efa nisotrosotro andro fety , ka avy hatrany dia namantana tany anaty rano, voadona mafy tamin’izany ny lohany sy ny tratrany ka avy hatrany dia tsy nahatsiaro tena ilay rangahy.Ilay zaza 4 taona kosa vaky ny lohany, ary ilay 14 taona no naratra teo amin’ny tànany.

Nalefa teny amin’ny CHRR akaiky azy indrindra ireto traboina telo mianaka, noho ny dona mafy nahazo azy anefa dia tsy tana ny ain’ilay mpamily ny moto fa iretsy roalahy kosa no nanaraka ny fitsaboana sahaza azy ; avy hatrany dia nomena ny havany kosa ny razana ka ny borigadin’ny zandary any Maevatanana no misahana ny fanadihadiana.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser