- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanendaka tao an-tsena

Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanendaka tao an-tsena

Taorian’ny fakana ambany nataon’ny polisy eto Maevatanàna, mikasika ny raharaha nahavoarohirohy sy nitazonana azy nandritra ny ny iray sy tapany andro dia niakatra fampanoavana tamin’ny Alakamisy maraina teo ilay lehilahy. Vita ny famotorana nataon’ny mpitsara ka ny fanampahan-kevitra taorian’izay ny nampidirana am-ponja vonjimaika eny Ambodimadiro ilay lehilahy antsoina hoe Hery miandry ny fotoam-pitsarana. Araka ny fantatra dia reska fanendahana vehivavy tao an-tsena tamin’ny aliny Atalata teo no nahavoarohirohy azy. Fantatra fa nifanenjehany olona rehefa ninatso vonjy ilay ramatoa voaendaka, ka raikitra tamin’izay ny fifanenjehana. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy teto an-toerana raha tsy izay dia niharan’ny fitsaram-bahoaka teo ny tenany, ary noraisim-potsiny avy hatrany. Tsiahivina fa efa matetika migadra ity lehilahy ity,ary izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika indray izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici