- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona roa nikasa hanao kolikoly tamin'ny Zandary

Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona roa nikasa hanao kolikoly tamin’ny Zandary

Ny Alatsinainy faha 18 Marsa teo, rehefa niakatra fampanoavana izy roalahy, izay voarohirohy tamin’ny resaka fisandona anarana sy taratasina fiara tsy ara-dalàna no niampy fikasana hanao kolikoly tamin’ireo Zandary, ka izay ny antony nampidirana amponja vonjimaika azy ireo, eny amin’ny vonjan’Ambodimadiro. Raha hiverenena ny tena zava-nitranga dia ny andrin’ny Alakamisy faha 14 Marsa 2024 teo no nanatanteraka ny asany amin’ny fiandrasana ny lalam-pirenena, ireo Zandary avy ao amin’ny BPR: Brigade Police de la Route Maevatanàna teny amin’ny toerana atao hoe: Marokoloy, kaominina ambanivotra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka fiara roa  » Starex » handeha hianavaratra, izah mivezivezy miaraka amin’iny modèle laharana voalohany sy assurance efa lany daty no hita nandritra ny fisavana nataon’ny Zandary ireo tao anaty fiara, dia nalaim-panahy avy hatrany izy ireo, ka nanolotra lelavola hoan’ireo mpitandro ny filaminana ahazoana  » Contravention » mba hanamora ny lalàna hatrany Antsohihy. Nandà izany anefa ireto farany, ary nanazava indray ny mpamily fa nolazainy an’ny zaobavin’Atoa Praiminisitra an-kehitriny ireo fiara ireo. Nampitandrina moa ny Zandary. Nohon’ny tonga teto Maevatanàna an-tampon-tanàna n’y fiara sy ny olona tao antiny dia nanao fisavana fanindroany ny kaomandin’ny vondro-tobim-pileovan’ny Zandary aty Betsiboka, ka hitak fa tsy nandoa assurance ry zareo . Mbola tsy nisalasalasa ihany ireo olona nisaraka tamin’ny fiara ny hanao kolikoly tamin’ny lehiben’ny Zandary, izay nanolotra lelavola 200000 ariary sy nampikatra 400000 ariary indray. Nanamafy hatrany kaomandin’ny vondro-tobim-pileovan’ny, fa kolikoly izany. Na teo aza anefa Io fampahafantarana nataon’ny tompon’andraikitra Io, dia tsy nasakana azy ireo, fa mbola nanolotra 200000 ariary sy ravim-bola 200000 ariary miisa folo. Voatery nandray fepetra sy nisintona antontan-taratsin’ny fiara no nampidirana  » fourrière » ihany koa ny fiara roa. Nosamborana ihany koa ny nanao kolikoly roalahy. Ny Zandary ao amin’ny boragady eto Maevatanàna no misahana famotorana tamin’izay. Nanadritra ny fanadihadiana natao teo hanatren’ny vavolombelona roa no nahafantarana, fa tsy misy rohim-pihavanana amin’ny Praiminisitra akory ireto olona voatazona ireto.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici