- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna :  Namory ireo olona misehatra amin'ny fivarotana hani-masaka na koa ireo tompona...

Maevatanàna :  Namory ireo olona misehatra amin’ny fivarotana hani-masaka na koa ireo tompona toeram-pisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny ny tompon’andraikitra mivondrana amin’ny  » Cousp Betsiboka  » mba hisorohana ny valan’aretina nendra-jako

Ny Alakamisy faha 08 Janoary taona 2026 lasa teo, tokony tamin’ny 03 ora tolakandro tany ho any no namory ireo olona misehatra amin’ny fivarotana hani-masaka na koa ireo tompona toeram-pisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny, tao amin’ny efitrano malalakin’ny kats-em ny tompon’andraikitra eo anivon’ny  » Cousp Betsiboka, izay notarihan’Atoa Préfetn’i Maevatanàna. Tapaka tamin’izany, fa tsy maintsy mametraka ny  » Geste barrière  » toy tamin’ny COVID-19, izy ireo mba hisorohana ny valan’aretina nendra-jako na  » MPOX.  » Nampifantarina azy ireo ihany koa teto ny fomba fisorohana sy ny fisehoan’ny valan’aretina voalaza etsy aloha. Natao izao hetsika izao nohon’i Maevatanàna lalana hivezivezen’ny fiara sy hijanonan’izy ireo amin’ny toeram-pisakafoanana, ary trano fandraisam-bahiny. Taorin’izay dia nisy fizarana laharam-pifandraisana an-telefaonina: 034 60 659 69 nandritra izao fihaonana mivantana izao, raha toa ka misy tranga mampihahiahy dia afaka miantso avy hatrany. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa mbola tsy nahitana ny trangan’aretina voamarina aloha hatreto ny ato anatin’ny faritra Betsiboka, raha ny fanazavana vaoray hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici