- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nanamarika ny andron'ny manamboninahitra ny zandary

Maevatanàna : Nanamarika ny andron’ny manamboninahitra ny zandary

Toy ny fanao isan-taona ny datin’ny faha 12 Janoary dia makalaza ny andron’ny manamboninahitra Malagasy na  » Journée des Officiers  » Malagasy ny foloalindahy. Nanamarika izany tamin’ny alalan’ireo hetsika maro isan-karazany ny manamboninahitra Zandary rehetra ato anatin’ny vondrotobim-pileovana Betsiboka, izay natomboka tamin’ny fananganan-tsaina teny amin’ny  » Terrain de Rapport Groupement Betsiboka » sy ny hazakazaka niarahana tamin’ireo solotenan’ny FIVAZA aty an-toerana, hetsika ara-panatanjahantena ny andron’ny faha 12 Janoary taona 2026 lasa teo iny. Ankoatran’izay dia nanolotra gisa ho mariky ny fomba hoan’ireo zoky sy Andiany arak’asa, ireo manamboninahitra zandriny no sady tompon’ny fibaikona nandritra ny lanonana ara-miaramila. Voaporofon’ireo manamboninahitra zandriny indrindra, fa soatoavina mitondra fanatsarana tokoa ny andron’ny faha 12 Janoary, fifampitsiahivana, fifampitaizana amin’ny sehatr’asa sy ny fiaraha-monina. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nofaranana tamin’ny alalan’ny fiarahana mihinana sakafo ho mariky ny nofokena mitam-pihavanana tao amin’ny  » Restaurant Kats-em  » ny lanonana teto no feno 59 taona ny faha 12 Janoary 1967, izay nidiran’ireo manamboninahitra voalohany teo anivon’ny Sekoly Akademia Miaramila, Antsirabe.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici