- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nanao famorana  zaza faobe maimaimpoana ny Croix rouge

Maevatanàna : Nanao famorana  zaza faobe maimaimpoana ny Croix rouge

Ankizy  117 sy anelanelan’ny enim-bolana ary 17 taona no natao didimpoitra maimaimpoana, tetsy amin’ny kianjan’ny « la place » ao amin’ny fokontany Andranomangatsiaka. Vola madiodion’ny fikambanana, sy ny fanampiana azon’izy ireo avy  tamin’ireo malala-tànana sy mpiara-miasa aminy no nentina nanao ny hetsika. Tao anatin’ny iray andro no nanaovan’ny « sampana vokovoko mena » na ny croix-rouge eto Maevatanàna ny famorana faobe izao, manodidina ny 117 ireo zaza vita famorana, izay sady nahazo fanampiana ara-panafody no nomena vatomamy sy bisky. Araka ny fanazavana, dia avy amin’ny fokontany 11 ato amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ireto ankizy ireto. Nanokatra sy nitarika ny hetsika, ny filohan’ny croix-rouge avy eto Betsiboka , Rtoa Ravoninahitriniarivo Mbaje Jeaninne ary ireo mpiara-miasa  aminy. Nambaran’ny filohan’ny croix-rouge hatrany, fa ny fahitan’izy ireo ny fahantrana amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy, sy ny fitsinjovana ireo tsy mahazaka ny saram-pandidiana amin’ny famoran-jaza ankehitriny, no nanosika azy ireo nanao izao hetsika izao. Nohamafisin’ny filohan’ny croix-rouge eto Maevatanàna , Atoa Razanakolona Petera kosa nandritra ny fandraisam-pitenena nataony, fa ny fifampitsinjovana amin’ny samy malagasy no tena zava-dehibe ankehitriny, satria efa iaraha-mahita ny fiainana ara-tsosialim-bahoaka amin’izao fotoana izao. «  Ireo mpitsabo telo avy ao amin’ny CSB I sy ireo mpikambana ao amin’ny sampana vokovoko mena kosa no nanatontosa ireo hetsika famorana zaza faobe ; izay natao tamin’ny  Asabotsy lasa teo iny.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici