- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nankinin’ny mponina amin’ny mpimasy ny fitandroana ny filaminana

Maevatanàna : Nankinin’ny mponina amin’ny mpimasy ny fitandroana ny filaminana

Efa very fanahy mbola velona tokoa angamba ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambatofotsy ao amin’ny kamaominina an-drenivohitra  Maevatanàna ao. Nanapa-kevitra izy ireo nandritra ny fivoriam-be natrehan’ny ben’ny tanàna sy ireo raiamandreny ao an-tanàna notanterahina tamin’ny Alahady faha-2  septambra teo fa hankinina amin’ilay mpimasy malaza antsoina hoe Ramotra ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ao amin’io fokontany io. Noraisina izao fepetra izao satria, araka ny fanazavana, tsy mahatoky ny zandary sy ny polisy  intsony ireo mponina. Ireto farany izay lazain’izy ireo fa tara foana vao tonga isaky ny misy trangam-panafihana iantsoana azy ireo. Mirongatra anefa ny asan-jiolahy any an-toerana nefa dia sahin’ireo mpitandro filaminana ireo ny milaza fa milamina ny tanàna. Nisafidy ity mpimasy ity ireo mpivory satria, araka ny voalaza dia malaza ho tena mahay tokoa io olona io. Efa ela izy no naneho ny fahavononany handray an-tanana izany raharaha izany ary tsy haka tambiny na ariary aza. Nanambara ireo mpivory fa tsy hiantso ny mpitandro ny filaminana intsony raha misy zava-miseho eo an-tanàna. Ny mampanahy amin’ity raharaha ity dia ny mety hampirongatra indray ny fitsaram-bahoaka.

T.M./Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici