- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nentanina amin’ny ady amin’ny MPOX ireo mpivarotra hani-masaka

Maevatanàna : Nentanina amin’ny ady amin’ny MPOX ireo mpivarotra hani-masaka

Namory ireo olona misehatra amin’ny fivarotana hani-masaka na koa ireo tompona toeram-pisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny ny tompon’andraikitra mivondrana amin’ny  » Cousp Betsiboka  » mba hisorohana ny valanaretina nendran-drajako. Ny Alakamisy faha-08 Janoary taona 2026 lasa teo, tokony tamin’ny 03 ora tolakandro tany ho any no namory ireo olona misehatra amin’ny fivarotana hani-masaka na koa ireo tompona toeram-pisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny, tao amin’ny efitrano malalakin’ny kats-em ny tomponandraikitra eo anivon’ny  » Cousp Betsiboka, izay notarihan’Atoa Préfetn’i Maevatanàna. Tapaka tamin’izany, fa tsy maintsy mametraka ny  » Geste barrière  » toy tamin’ny COVID-19, izy ireo mba hisorohana ny valanaretina nendran-drajako na  » MPOX.  » Nampahafantarina azy ireo ihany koa teto ny fomba fisorohana sy ny fisehoan’ny valanaretina voalaza etsy aloha. Natao izao hetsika izao noho i Maevatanàna lalana hivezivezen’ny fiara sy hijanonan’izy ireo amin’ny toeram-pisakafoanana, ary trano fandraisam-bahiny. Taorin’izay dia nisy fizarana laharam-pifandraisana an-telefaonina: 034 60 659 69 nandritra izao fihaonana mivantana izao, raha toa ka misy tranga mampihahiahy dia afaka miantso avy hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa mbola tsy nahitana ny trangan’aretina voamarina aloha hatreto ny ato anatin’ny faritra Betsiboka, raha ny fanazavana vaoray hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici