Nilanja sorabaventy tetsy amin’ny sekolim-panjakana iray eny amin’ny ceg benoit bevava ireo mpampianatra mpikambana ao ami’ny Sempama na ( Sendikan’ny mpampianatra Malagasy), ny Alatsinany sy ny Atalata teo ary nanabara fa mikatso tanteraka ny fampianarana amin’ireo sekolim-panjakana ato amin’ny CISCO na « Circonscription Scolaire Maevatanàna. » Nikatso tanteraka ny sekoly nanomboka ny Alatsinainy lasa teo ary hitohy izany mandritra ity herinandro ity. Araka ny fanazavan’Atoa RAVALISON GERMAIN chef cisco eto Maevatanàna, dia ny ceg benoit bevava manokana kosa dia misy ny mitokony ireo mpampianatra ary misy ihany ireo mampianatra. Mizara roa hoy izy ny fitokonan’ny mpampianatra ao amin’ny ceg,ny voalohany dia mitaky ny fialan’ny talen-tsekoly ireo mpampianatra sasany ao ami’ty sekoly volaza etsy ambony ity, ny faharoa kosa dia ny fangatahana tambim-karamana izay iraisana manerana ny nosy, ary tsy tokony hatambatran’ny mpampianatra izany hoy hatrany chef cisco tamiany. Misy amin’ireo mpampianatra hoy izy tsy mitokona fa mampianatra. Ary misy mpianatra ihany koa miafina mianatra, izany hoe hoe amin’ny fotoana handalovan’ireo mpitokona dia mikatona ny sekoly, satria matahotra ireo mpampianatra, fa rehefa las aizy eo dia miverina ny fampianarana. Nohamafisin’ny hatrany fa tsy mihemotra ny datim-panadinana ho an’ny cisco eto Maevatanàna.
Ratantely





