Raikitra ny sakoroka tany amin’ny tanàna antsoina hoe Mandabe, any Maevatanana, omaly tokony ho tany amin’ny iray ora hariva. Nampita vaovao taty amin’ny gazety ny solontenan’ny mponina any an-toerana fa tonga tany amin’ilay toerana ny tompon’andrikiatra rehetra avy ao amin’ny Faritra niaraka tamin’ny mpitandro filaminana hanala ireo olona efa namboly vary tamina toerana iray. Vokany, olona fito no nolazaina fa nosamaborina, nirefotra ny grenady mandatsaka ranomaso ary nisy mihitsy aza ny tifi-danitra nataon’ny mpitandro filaminana. Ankoatra izany, notrongisina koa ny tany efa nisy voly vary, izany rehetra izany, araka ny vaovao nampitaina taty amin’ny gazety. Fotoana maromaro izay, anisan’ny vaovoa nitana ny sain’ny mpanaraka ny fandehan-javatra eto amin’ny firenena ny zavatra misy any Mangabe. Eo anoloan’ny tranga, manaitra ny mpitondra ireo mponina hanaraka akaiky ity fitakiana mivadika sakoroka any an-toerana ity.
Nagonin’i r.s.