- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Nogiazan’ny polisy ny volany, nitory i Doris

Maevatanana : Nogiazan’ny polisy ny volany, nitory i Doris

Mpanao volamena any amin’ny fokontany antsoina hoe Antanimbary ny asany. Isaky ny talata izy dia mba miakatra ao Maevatanana ary mba mividy zava-baovao, mba migoka ny vokatry ny hatsembohany. Koa satria izy efa nisy nanafika tany aloha tany noho io anton’asany izay mikirakira volamena io, dia nanapa-kevitry ny nangataka fahazoan-dàlana hitazona fiadiana. Manana poleta izy ankehitriny ary miaraka amin’ny fahazoan-dàlana momba izany hatrany izy isaky ny mandehandeha, indrindra ho any Maevantanana. Ny talata farany teo, raha mba nisotro ranom-boankazo tao amin’ny toeram-pivarotana iray ny tenany, dia nisy polisy monisipaly nahatsikaritra. Io farany izay efa olom-patany ihany ary ahiany ho fototry ny olona satria efa nisy fifamaliana ny roa tonta tany aloha tany. Vetivety foana teo, rehefa niala teo io polisin’ny kaominina io dia polisy mitam-basy miisa efatra no niverina avy any ary nanao ny fisamborana an’I Doris. Nofatorana rojovy toa ireny jiolahy ireny ny tenany ary nolazaina rahateo fa dahalo aza. Rehefa tonga teny amin’ny biraon’ireo nisambotra dia nosokafana avy hatrany ny fihainoana azy. Nampisehoany ny taratasy fahazoan-dàlana mitazona basy. Naverina taminy ihany ilay fitaovam-piadiana na dia ny ampitson’iny aza vao tontosa izany. Saingy ny tena nampahalelo an’I Doris dia ny volany izay mitentina 3,7 tapitrisa Ariary izay tao anatin’ny sakaosiny izay nalain’ireo mpitandro ny filaminana. Ny antony dia satria tsy nisy…faktiora izany, raha araka ny fanazavan’I Doris. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe tsy afaka mitondra vola mivezivezy ve ny olom-pirenena iray no ilaina fanamarinana ny vola tao anaty sakaosin’i Doris? Manoaloana izany dia nametraka fitoriana eo anivon’ny Bianco ny tenany manoloana ity lazainy hoe fanaparam-pahefana sy halatra nihatra taminy ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici