- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Nomena fanampiana ireo fianakaviana lasibatry ny fakàna an-keriny

Maevatanana : Nomena fanampiana ireo fianakaviana lasibatry ny fakàna an-keriny

Vola mitentina maromaro ihany  no nomen’ny fitondram-panjakana ireo fianakaviana niharam-boina sy lasibatry ny fakàna an-keriny tao an-drenivohitr’i Betsiboka tao. Araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana hatrany mantsy dia nisy ny fidinanana ifotony notanterahan’ny Praiministra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana telolafy tany amin’iny faritra iny omaly. Fidinanana ifotony nijerena manokana ity trangana fakàna an-keriny izay mahazo vahana any an-toerana ity sy nikaroham-bahaolana entina hiadiana amin’izany. Tsiahivina fa efa nisy ny fanambazana volabe aman-tapitrisany nataon’ny mpitandro filaminana ho an’ireo olona izay afaka manome vaovao na manoro ny toerana misy ilay voalaza fa lehiben’ny dahalo, antsoina hoe « Del », ahiahiana tanteraka ho ao ambadik’ireo fakàna an-keriny izay miseho lany any an-toerana ireo.  Sendra nifanojo tamin’io fidinana io mihitsy araka izany ilay trangana fakàna an-keriny niseho tao Ambodimangan’i Besarety, izay niantsoana ireo fianakaviana lasibatra. Ny hany nampalaelo fotsiny angaha, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo dia zary toa natao ankilabao ny mbola fisian’ilay ankizivavy mbola eny am-pelantanan’ireo olon-dratsy na ny fandoavana ilay volabe. Efa nanome fe-potoana hatramin’ny omaly mantsy ireto mpaka an-keriny hanomezana ilay vola takian’izy ireo.

m.L / Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici