Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma faha 05 Septambra taona 2025 lasa teo iny, tao amin’ny tokontany malalaky ny lapan’ny faritra Betsiboka ny fitsarana miaramila, hoan’ireo tanora lahy sy vavy ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Izany dia natrehan’ireo tompon’andraikitra maro samy hafa eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka, notarihin’ny préfetn’ i Maevatanàna. Nitohy ny andron’ny sabotsy faha 06 Septambra taona 2025 teo izany, tao amin’ny » CEG Benoît Bevava, » ary tanora 176 mianadahy no nisitraka karatra Maitso nandritra ny fitsarana miaramila. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nitsinjara tahak’izao manaraka izao ny fitsarana miaramila, tao anatin’ny roa andro voalaza etsy ambony. Ny lehilahy dia nahatratra 88 isa, ary ny vehivavy dia nanome isa 88 ihany koa. Mbola nitohy tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny fitsarana miaramila ny andron’ny alakamisy faha 11 Septambra taona 2025 teo, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Ratantely