- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Olon-tsotra roa maty voatifitra nandritry ny fanafihana

Maevatanàna : Olon-tsotra roa maty voatifitra nandritry ny fanafihana

Raim-pianakaviana iray no sady tompona tranom-barotra voatafika, raha olona roa hafa maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny tratrany sy ny lohany. Tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, Kaominina Maevatanàna voalohany, no nisehoan’ny fanafihana, ny alatsinainy 28 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora sy fahefany hariva. Araka ny fantatra, voaroba nandritra  ny fanafihana ny vola maromaro sy zava-pisotro, toy ny labiera, vao niditra tao ireto jiolahy.Tonga dia  nanapoaka basy sady norahonany tamin’ny «basim-borona» ireo lasibatra, avy hatrany dia nopoirin’izy ireo ny vata misy vola, ary nandositra malaky ireto malaso no nanapoaka basy faharoa, ka niboaka ny trano ireto olona saika hamonjy an’ilay raim-pianakaviana voatafika, ary  nifanehitra tamin’ireo jiolahy izy roa lahy, ka teo no nahatonga ny  jiolahy nitifitra azy ireo, ka bala iray   no niantefa tany amin’ny tratrany sy ny lohany izy roa. Namoy ny ainy vokatr’izany ireto farany, raha vao nahavita ny fanafihana ny jiolahy, dia vaky nandositra. Ny fokonolona moa samy nanamafy ny hidin-tranony,  vao nahare izany. Taorian’izay vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ny vady aman-janany ilay mpitana tranom-barotra voatafika, ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity araka ny fampitam-baovao voarainay. Matahotra no sady mihorohoro tanteraka ny mponina eto Maevatanàna, noho ity asan-jiolahy ity, izay tena manjaka amin’izao fotoana izao,  ny ato amin’ny faritra Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici