- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Olona 5 voasambotra nandrahona ho faty masera

Maevatanana : Olona 5 voasambotra nandrahona ho faty masera

Saron’ny polisy ny alarobia 11 aogositra 2021 teo ireo olona 5, lehilahy ny 3 ary vehivavy kosa ny 2,  voalaza fa nandefa taratasy fandrahonana ho faty ny masera tompon’andraikitra iray ao amin’ny fikambanan-dreliziozy miasa ao Maevatanana. Ny sabotsy lasa teo no naharay izany taratasy izany ry masera rehefa naterin’olona tsy fantatra teo amin’ny mpiambina ny tanàna misy ny ahitana sekoly. Raha ny fantatra dia mivaky toy izao izany : « … Manoratra ity taratasy ity izahay ho fampahafantarana anao fa ho avy izahay amin’ny ora sy fotoana tsy ampoizina, satria tafahoatra loatra ny haratsian-toetranao. Ho avy izahay hanao valifaty. Raha tsy azonay ianao dia ny tranonao mihitsy no hodoranay, fa tsaratsara aminao ny tsy misy ». Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ity masera ity. Nisokatra ary ny fikarohana ireo olon-dratsy ka teo no nahitana ny lehilahy iray izay voalaza fa nampanoratina io taratasy io. Niainga teo ny fanadihadiana lalina ka nahatratrarana ny lehilahy iray hafa, izay atidoha. Ity farany dia mifandray tendro amin‘ireo vehivavy 2 izay manao « gargotte » ao amin’ny tokotanin-tsekolin’ny masera. Ireto farany, araka ny loharanom-baovao, dia efa kasain’ireo masera hesorina eo amin’io toerana io, ka nasaina nitady trano hafa. Araka ny fanadihadiana dia tsy nahafaly azy ireo ity fikasan’ny masera ity ka nahatonga izao firaisana tsikombakomba hanao fandrahonana ho faty izao. Natolotra ny Fitsarana ny alarobia hariva teo ihany moa izy 5 mianadahy ireto ka nahiditra am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fitsarana azy ireo.

D.R/Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici