Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona miisa enina voarohirohy amin’ny famonona mpandraharaha tany Ambongabe. Rehefa vita ny famotorana nataon’ny Zandary ireo olona enina voarohirohy sy nandray anjara mivantana tamin’ny fahafatesana mpandraharaha iray antsoina hoe » Dina. » Dia natolotra ny fampanoavana afakomaly Alatsinainy hariva izy enina, ary taorian’izay no nanapa-kevitra ny tonia mpapanoa lalàna amin’ny nampidirana am-ponja vonjimaika azy ireo eny Ambodimadiro. Raha ny fampitam-baovao voarainay teo anivon’ny Zandarimaria eto Maevatanàna hatrany dia ireo enina ireo notazomin’ny fianakavian’ilay mpandraharaha nahavanona ny famonoana. Misy amin’izy ireo no voalaza fa mpaniraka, ary eo ihany koa ny nandray anjara mivantana. Iray amin’ireo ny mpandraharaha ao Berivotra 5×5, izay voarohirohy amin’ity raharaha ity. Koa io indray dia anisan’ireo naniraka jiolahy hanao ny famonoana, satria maneligelina azy ny fiasian’i Dina Andriatsarimahazo mamiharaisoa, izay mpandraharaha tahaka azy. Efa voarohirohy tamin’ny raharaha hafa ihany koa io olona io, saingy tafavoaka foana noho izy mahitahita. Iray amin’ireo jiolahy voasambotra dia voalaza ho mpifandray tendro amin’ny dahalo mpanao fankana an-keriny atao hoe: Tsaramiandry Veloniaina Mahatombo Fernand , izay fanatatry ny maro amin’ny solonan’anarana hoe Zama Fôla. Marihina fa tokony herinandro lasa iny no niakatra teny amin’ny » Parquet, » saingy tojo tsy fahasalamana ny mpitsara tamin’izany, ka Alatsinainy 22 Janoary teo vao naverina natao famotorana teny amin’ny tonia mpampanoa lalàna izy enina. Raha ny vaovao voamarina avy amin’ny Zandary hatrany dia misy dahalo roa mbola hikarohana amin’ity raharaha ity.
Ratantely