- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Olona iray maty voatifitry ny dahalo teo amin’ny tendany

Maevatanana : Olona iray maty voatifitry ny dahalo teo amin’ny tendany

Nirefodrefotra indray ny basy tany amin’ny fokontany sy kaominina Tsararano, ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nisahotaka ny mponina teo an-tanàna nandre izany ary tsy nisy sahy nivoaka ny trano. Dahalo maromaro nirongo fiadiana no fantatra fa nanafika tokantrano iray tao an-toerana. Omby manodidina ny folo no lasan’ireo jiolahy tamin’izany, araka ny fanisana vonjimaika. Taitra ny tompon-trano raha nahita ny fandrobana ny fananany ka niantso vonjy. Nivoaka ihany ny fokonolona, kanjo tonga dia nitifitra ireo malaso. Vokany: olona iray no maty tsy trà-drano, izay voatifitra teo amin’ny tendany. Nizotra nianavaratra kosa ny dian’ireo dahalo nitondra ny omby. Taorian’izay vao niantso Zandary ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Efa nalain’ireo havany any amin’ny fokontany Anjiakely avaratra, kaominina Ambalajia kosa ilay razana. Mitohy hatrany kosa ny fanarahan-dia ataon’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana amin’izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici