Efa malilo ny sofina amin’ny fandrenesana fanafihana mitam-basy ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Mandray andraikitra ihany ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toa saingy tsy mahasakana ny fanampoizan’ny mpanao ratsy ny asany izany. Vao tsy ela akory izay no nisehoana asan-dahalo sahady ny tany amin’ny tanàna antsoina hoe : Ambodimanga, Kaominina Beanana, disitrikan’i Maevatanàna, ny Alakamisy 4 Janoaray lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Vokany: Ankoatra ny omby lasan’ireo dahalo dia voatifitran’ny basy ihany koa ilay lehilahy iray sendran’ny hivoaka hanohatra ireo malaso ireo, ka teo no nahafaty voatifitra azy tany an-toerana. Araka ny fanazava voaray avy Rtoa Irénne, dia dahalo efa-dahy mirongo basy no tongo nanafika io tanàna io, ka nahazoan-dry zalahy omby maromaro tao am-bala. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho nandritra ny asa ratsin’ireo jiolahy, fa dia nitifitra an’ilay lehilahy efa ho 35 taona eo. Efa nidina nijery ny zava-niseho tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Amin’izao fotoana izao, dia tsy misy olona firy intsony ny any amin’ny tanànan’ Ambodimangaio, fa lasa nitsoaka any amin’ny manodidina ny fokonolona noho tahotra ireo dahalo. Misy amin’izy ireo no nitsoaka any Mahajanga, fa ao koa ireo niakatra eto Maevatanàna. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony mahefa ireo mponina, mba hijery azy ireo, hiverenan’ny fandriampahalemana indray.
Ratantely