- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Olona telo nilahatsam-potaka, roa maty, iray naratra

Maevatanana : Olona telo nilahatsam-potaka, roa maty, iray naratra

Ankoatra ny dahalo dia mamely mafy ihany koa ny loza voajanahary any Beratsimaninana. Ny alahady lasa teo dia, fantatra fa olona telo no indray nilahatsaham-potaka, tany an-toerana. Ny roa tamin’ireo no maty teo no ho eo, ary ny iray kosa naratra mafy, izay mbola nalaky voavonjin’ny fokonolona. Mbola nahenoana varatra nipoaka mafy dia mafy ihany koa tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Ny tsy fandriampahalemana sy ny afitsoky ny asan- dahalo efa tsy hitan’ny mponina izay hiadiana aminy, nefa vao mainka hamafisin’ny loza voajanahary ihany koa « Nisy oram-be hatramin’ny alatsinainy.» Mirefodrefotra ny fipoahan’ny varatra. Tsy nianatra ny mpianatra ny alahady teo ka mbola teny an-tokotany izy telo mianadahy no nipetrapetraka io nilatsahan’ny varatra io, tokony ho tamin’ny 05 ora sasany hariva. Maty teo no no ho eo ny roa tamin’izy ireo, ary  naratra mafy ny iray. Mpianatra ao amin’ny sekoly EPP  Beratsimaninana ny iray namoy ny ainy, izay hanomanana fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona ity. Efa manam-bady aman-janaka kosa ilay maty hafa, hoy hatrany ny loharanom-baovao voarainay avy any an-toerana. Miely ny resaka ao Beratsimaninana fa mety avy amin’ny olona misotasota no nahatonga izao zava-doza izao. Ny lehiben’ny dinam-pokonolona any an-toerana kosa dia nilaza fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Ny alatsinainy teo moa mbola nirefotra mafy dia mafy ny varatra aty aminay, hoy hatrany Atoa Teophille lehiben’ny dianam-pokonolona izay nitafa taminay omaly. Ny irarina dia mbola tsy ho nitera-doza namono olona indray io varatra nipoaka mafy io.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici