Rehefa vita ny famotorana sy fitazomana nataon’ny Zandary an’ilay lehilahy nandoro olona telo velona tany amin’ny tobim-bolamena iray atao hoe Anosibe, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, dia natolotra ny fampanoavana ny faramparan’ny herinandro teo ny nahavanon-doza, ka taorian’izay no nandray ny fanapahan-keviny ny tonia mpampanoa lalàna amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy eny » Ambodimadiro. » Raha averena tokoa ny zava-nitranga tamin’ny andron’ny faha-26 aogositra, taona 2024, teo iny, dia tahak izao manaraka izao. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia nahazo antso an-tariby tamin’Atoa Nirina, » SG kaominina Antanimbary, » izay mitoby sy miasa volamena any Anosibe, ny zandary avy ao amin’ny Poste fixe Antanimbary, fa misy fahamaizana tobim-bolamena, izay niniana natao, ka nitarika fahafatesan’olona miisa roa. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana rehefa nahare ny antso fa nidina nijery ifotony ny tena zava-misy marina, sady namonjy nalaky, ireo olona may tany an-toerana. Nandritra ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ny fokonolona tao an-toby no nahalalana fa i Mitahisoa, monina ao ihany, no nandoro an’io toby io. Ady rano hanivanana volamena sy disadisa teo aminy sy ireo olona ireo no antony nandoroany ireto olona telo ireto. Teo ihany koa dia kila tsy nisy noraisina ny vatsy, vokatry ny fahamaizana. Nosamborina tsy nisy hataka andro ny nahavanon-doza, ary naterina aty Maevatanàna mba hialana amin’ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitalibe Morafenokely kosa ilay zazalahikely sy ny vehivavy iray, naratra tsy naninona kosa ny lehilahy iray hafa.
Ratantely