- Publicité -
mardi, août 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Pasitera voatafika, naratra mafy voafira famaky

Maevatanàna : Pasitera voatafika, naratra mafy voafira famaky

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny tanàna antsoina hoe Anjiakely, any amin’ny kaominina Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny Alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Tokantrano iray no lasibatra ny asa ratsy tamin’io fotoana io. Ka ankoatra ny vola lasan-dry zalahy, dia voafira famaky tamin’ny lohany ihany koa ny tompon-trano, izay pastera ao amin’ny fiangonana any an-toerana. Jiolahy maromaro tsy voafaritra isa tsy misy nanao saron-tava ary nitondra basim-borina sy zava maranitra no tonga nanao ny asa ratsy teny amin’ny fokontany Anjiakely tamin’io fotoana io. Nanao izay fomba nahafana niditra tao an-trano ireo olon-dratsy vantany vao tonga. Tsy nisy nahita ny fidiran’izy ireo ka niditra antsokosoko tao an-trano. Taitra ny tompon-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao an-trano, ka teo no nahavoafira famaky azy teo amin’ny lohany no sady voahambana basy mba hamoaka ny vola tao an-trano. Tampoka tamin’izy ireo ny zava niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Izao nahazoan-dry zalahy vola izao. Lasa nandositra niaraka tamin’ilay vola ireo jiolahy taorian’ny fanafihana nataony. Marihina fa mbola tsy fantatra mazava  ny lelabola lasan’ireo olon-dratsy. Efa nampandrenesina kosa ny Zandary ka tonga nanao ny fizahana ifotony tany amin’ny toerana voatafika. Ilay « Pastera » voatafika kosa efa noentina notsaboina eny amin’ny hopitaly be eto Maevatanàna. Mitohy hatrany kosa ny famotorana ataony Zandary.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici