- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Raikitra ny fifanjevon’ny dahalo sy zandary

Maevatanàna : Raikitra ny fifanjevon’ny dahalo sy zandary

Tsy miandry efa ho misy asan-dahalo sy fanafihana miseho na fandrobana fananan’olona ataon’ireo olon-dratsy amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana, vao mandray ny andraikiny tandrify azy ny Zandarimariam-pirenena ato anatin’ny vondro-tobim-pileovana eto Betsiboka, fa tonga dia mijery sy manara-maso avy hatrany, ny eny ambanivohitra sy an-tanan-dehibe, mba hisorohana mialoha ny tranga. Porofon’izany ny andron’ny Atalata faha roapolo ny volana Febroary lasa teo, tokony tamin’iny 11 ora maraina mahery 37 minitra no nanao ny fisafoana ireo kizo malaza fanefenan’ny jiolahy omby halatra avy nangalariny, ka nandritra ny fisafoana kizon’Ambohimena, tao amin’ny an-tampon-tanety antsoina hoe:  » fasan’ i Ramena, » ao amin’ny sisin-tany manasaraka ny disitrikan’i Maevatanàna sy Ambatoboeny, dia nifanehitra tamin’ny dahalo niisa efatra nitondra omby telo nangalarina sy basim-borina iray, ary antsy lava, famaky ny Zandary miasa ao amin’ny  » Poste fixe Bevilany » any amin’ny kaominina Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, niaraka amin’ireo vatan-dehilahy. Rehefa nahita sy natsikaritra ny Zandary sy ny fokonolona ireo dahalo, tonga dia nitari-dositra nalaky, sady nanapoaka basy no navelan’ireto farany teo ny omby, nihezaka namaly tifitra avy hatrany ny Zanadary, saingy nanohy fandosirany araka ny ilay fiteny hoe: Havoto raha tongotra ireo jiolahy. Marihana fa tsy nisy ny naratra sy namoy ny ainy nandritra ny fifanjevona teo amin’ireo telo tonta, ny Zandary, vatan-dehilahy ary ny malaso. Noentina ao Ambalapamonjana, ao Bevilany kosa ireo omby raraka teo am-pelatanan’ny jiolahy, mandram-pahitana ny tompony, ny Zandary any an-toerana kosa moa no misahana izao raharaha izao. Mitohy hatrany ny asa fampandriana fahalemana ny tany sy fikarohana ny malaso.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici