Ny fanafihan-dahalo efa manao ny ataony, mbola mihoron-koditra amin’ny fihetsika miharo herisetra sy tora-bato tsy ifankahitana any amin’ireo fokontany maromaro ny eto amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna. Teo aloha dia tany amin’ny faritra avaratry nosy no nahitana ireo adian-tanora mahery fihetsika, izay antsoina hoe » Foroches. » Ankehitriny dia tafiakatra eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka ny hadalana efa mihoapapana ataon’ny tanora. Isan’ireo fokontany miferinaina tanteraka ny eny Andranomangatsiaka sy Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, izay zara raha 200 metatra miala ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Porofon’izany, ny talata alina teo dia nisy olona nahatsikaritra andian-tanora nitondra vato marobe tao amin’ny fokontan’Andranomangatsiaka. Tsy hay izay tian’izy ireo hatao fa ny trano mifanojhy aminy dia voatora-bato avokoa. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona teny manodidina fa niaritra ny tora-bato tamin’ny tranony avy. Naharitra ora maro izany teny amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity. Soa ihany fa tsy nisy naratra sy ny aina nafoy nandritra izany. Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy mavozo mihitsy ireo andian-tanora na dia nisy olona niezaka niantso vonjy aza. Rehefa nahazo antso ny polisy dia tonga teny amin’ny toerana nisian’ny tora-bato. Indrisy anefa fa tsy tratra intsony ry zalahy ireo, fa ny vato niraradaraka teny amin’ny manodidina sy ny arabe sisa no tazana teny. Tsy nisy zavatra nalain’ireo andian-tanora moa fa heristra tiana natao fotsiny. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao.
Ratantely