- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Rangahy tratram-badiny nampirafy azy, matim-bono

Maevatanàna : Rangahy tratram-badiny nampirafy azy, matim-bono

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho, ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, tamin’ny làlana mihazo, ny lapan’ny tanàna, tao amin’ny fokontany Andranomangatsiaka, kaominina Maevatanàna voalohany no nisehoan’izany. Raim-pianakavianairay manodidina 45 taona eo, izay voalaza fa tratram-badiny nampirafy azy no matim-bono. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga, dia hitan-dramatoa tompom-bady nifampisakambina nisera fitia tamin’ny vehivavy teny an-dalàna ilay rangahy. Ny ramatoa vadiny moa izay efa ela nitadiavan’azy eran’ny tampon-tanànan’i Maevatanàna, tamin’io fotoana io. Tezitra mafy ity renim-pianakavina ity, rehefa nahatazana azy tampoka teny an-dàlana, nanaovany lako tampoka taty aoriana izy ireo, izay mbola variana nampiaraka ihany. Nodarodarohan’ny vadiny tsy nananany antra avy hatrany teo imasom-bahoaka ilay andefimandriny, ka nivoa-drà an-korona sy nivindina tarehy. Raha vao nahita ny zava-niseho kosa ity vehivavy voatondro fa sakaizan-drangahy niaraka taminy ity, tonga dia nitsoaka avy hatrany, raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici