- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Rano tapaka, faritra maro no mitairana

Maevatanana : Rano tapaka, faritra maro no mitairana

Mampitaraina ny mponina eto Maevatanàna ny fahatapahan-drano nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Fokontany maro no niaina tao anatin’ny tsy fisotroana ny ranon’ny orinasa jirama vokatry ny fisian’ny fahatapahana. Tsy mbola nitsahatra fa toa mainka mitombo hatrany anefa ny faharetan’ny fotoana isin’ny fahatapahana ho an’ireo faritra sasany. Maharitra ora maro izany, araka ny fitantaran’ireo olona monina any amin’ireo toerana lasibatr’io fahatapahan’io. « Indraidray tapaka manomboka amin’ny 07 ora maraina ny rano ary tsy miverina raha tsy mipaika any amin’ny 09 ora alina, ao anatin’ny fotoana hatorian’olona. Matetika aza vao maraimbe dia efa tsy misy rano», hoy ny raim-pianakaviana iray monina eny amin’ny fokontany Ambatofotsy atsimo atsinanana. Mbola tsy nahenoana fanazavana mahakasika ny fahatapan-drano kosa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa jirama eto Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici