- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Resaka kolikoly : Nadoboka am-ponja ny Sefo Cisco

Maevatanàna : Resaka kolikoly : Nadoboka am-ponja ny Sefo Cisco

Mihazakazaka be ny raharaha rehefa noraisin’ny avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny kolikoly ao Mahjanga. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco Mahajanga dia nanapa-kevitra ny ( Pôle Anti-corruption) na PAC any an-toerana, fa naiditra am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitry ny fanabeazam-pirenena ( DREN) Betsiboka teo aloha sy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pianarana  (CISCO) eto Maevatanàna noho ny raharaha mikasika kolikoly. Raha hojerena tokoa mantsy zava-nisy dia ny  fitarainana voaray teo anivon’ny Bianco no nilaza fa tsy nangarahara ny fandraisana mpampianatra teo Maevatanàna tamin’ny taona 2020 lasa teo iny. Volaza fa nisy mpifaninana tamin’izany no nampiasa diplaôma hosoko mba hahavoaray azy ary ireto tomponandraikitra ireto no voatondro fa nanararaotra ny asa sahaniny sy nandray kolikoly.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici