Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, ny sabotsy lasa teo no tonga ireto entana ireto, teo Ambodivona, Maevatanàna ary nisy nitatitra soa aman-tsara toy ireny entana tonga avy aty an-drenivohitra rehetra ireny. Nampiahiahy ireo andrimasom-pokonolona anefa ireo mpitatitra izany ary nanatonana avy hatrany. Vao nahita ireto farany iretsy mpitatitra anefa, avy hatrany dia nitsoaka toy ny tsy teo. Nojerena avy hatrany ireto « entana », ary hita fa rongony marobe nafatratra tao anaty anaty gony.
Ny valanaretina manao ny ataony etsy andaniny, ireo mpibizina rongony manao izay danin’ny kibony etsy ankilany. Tsy misy tahotra sy henatra intsony mantsy fa nampidinina toy ireny entana vao tonga ireny avy aty an-drenivohitra ireny ireto zava-mahadomelina mahery vaika, nafatratra tao anaty gony telo. Tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena dia nisy fiara nijanona teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io, izay akaikin’ny toby fivarotan-tsolika iray, alohan’ny hiditra ny tanan’i Maevatanàna, manamorona iny lalam-pirenena fahefatra iny. Satria efa andro alina, ary tao anatin’ny « couvre feu » dia hitan’ireo andrimasom-pokonolona tsara izany. Ho an’ireo mponina dia efa tsy mahataitra intsony ny fampidinana ireo entana tonga, satria efa ireo sisa no hany afaka mifamezivezy taorian’ny nanidina ireo faritra maromaro teto amintsika. Na izany na tsy izany aza, dia nampiahiahy ihany na ny fihetsik’ilay fiara na ilay entana natoby fotsiny teo amoron-dàlana. Fotoana fohy taorian’io no nisy nibata ireto gony vitsivitsy. Nanatona avy hatrany ireo andrimasom-pokonolona ka nanao tari-dositra ireo mpibata entana. Hita teo fa zavatra tsy mazava izany ka niantso polisy ireto farany. Tamin’io no fantatra fa rongony, milanja eo amin’ny 70 kilao, saika haparitaka tany amin’iny faritra iny izy ireto, ary niainga avy aty an-drenivohitra. Nogiazana avy hatrany moa ireto « entana » ireto. Efa mandeha kosa fikarohana izay mety ho tompony sy ireo olona nitsoaka, araka ny vaovao azo.
m.L