- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Sarona ireo adin-jiolahy mpamaky trano

Maevatanàna : Sarona ireo adin-jiolahy mpamaky trano

Ny vaky trano indray no nahazo laka teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, tato ho ato. Tokantrano maro ireo samy naharaisana fitarainana nandritra ny telo volana lasa izay. Ho tohin’ny fikarohana ireo olon-dratsy, izay efa ela no nampitaraina ny mponina, ka nahaverezana entana sy kojakoan-dakozia maro. Niroso tamin’ny fikarohana ireo jiolahy mbola tsy voasambotra ny mpitandro ny filaminana aty an-toerana. Nandraisana fomba fiasa hafa mihitsy ny momba ireo mpamaky trano, ka nanomboka  ny hetsika fampandriana tany nataon’ny miaramila ato anatin’ny faritra Betsiboka no nanao ny hetsika fanadiovana ireo miaramila. Rehefa nahazo fitarainana ny miaramila, dia nosamborina avokoa ireo rehetra nahiana ka isan’ny mpandray anjara amin’io resaka vaky trano, ka nahaverezana kojakojan-dakozia, ny entana sarobidy, ary biby fiompy io. Saika niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo. Tamin’ny alàlan’izy ireo ary ny fanondroany ny namany indray no nahafahana nahatratra an’ireo namany hafa. Tafakatra efatra ny isan’izy ireo izay samy voatana eny « Antasakoamamy » avokoa izy ireto. Aorian’izay vao hatolotra ny Zandary amin’ny maha mpampanao fanadihadiana sy famotorana azy ireo.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici