- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Sendikan’ny mpampianatra, mitaky ny fanoloana minisitra tena tekinisianina.

Maevatanàna : Sendikan’ny mpampianatra, mitaky ny fanoloana minisitra tena tekinisianina.

Tsy hianatra daholo ny mpaiantry ny EPP sy ny ceg ary ny lisea eto Maevatanàna sy ny manodidina mandra-pahitana ny tena marina. Hanampy an’ireo solombavambahoakan’ny fanovana ho an’ny fitakiana ny zony ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny sempama avy eto Maevatanàna. Ny alarobia teo no nanamafy ny fitakian’izy ireo, fa hampikatso ny fampianarana raha tsy mamaly ny fitakian’izy ireo ny tompon’andraikitra. Nisy ny fanambara nataon’ireo sendikan’ny mpampianatra tetsy amin’ny kianja “90 ariary” eny amin’ny lisea Benoit Bevava, ka nisongadina tamin’izany ny fitakiana fanoloana minisitra tena tekinisianina, izay mahafehy tsara ny fitantana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ireo asa mifandraika amin’izany. Akoatra izany, dia takian’izy ireo faran’izay haingana ny hanala an’ilay minisitra vaovao notendrena. Raha tsy izay dia tsy hisy fampianarana handeha intsony , hoy ny solontenan’ny biraon’ny sendikan’ny mpampianatra taminay  hatrany omaly. Greve faobe no hisy ary tsy hijanona izany raha tsy voavaha ny olan’ny mpampianatra rehetra. Takian’izy ireo ny hampitoviana ny karaman’ny samy mpiasam-panjakana mitovy grady sy manam-pahaizana, ary tsy ekena ny karama vary masaka ataon’ny mpitondra amin’ny mpampianatra. Navohitran’ny mpitarika ny tolona eto Maevatanàna, tokony hatao laharam-pahamehana ny Fram amin’ny fandraisana ireo efa ela niasana ho lasa mpiasam-panjakana, ary tokony hampiharina ihany koa, hoy izy ireo, ny “lois de Finance 2018, 15,6%.” Hanampy ny tolona eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka kosa ireo mpampianatra Fram rehetra avy any Kandreho sy Tsaratanàna ary mbola ho avy kosa ireo manana IM avy any ambanivohitra, hoy hatrany ny biraon’ny sempama eto Maevatanàna. Ny alatasinainy izao dia efa tsy misy mpanabe mampianatra inatsony raha ny tatitra azonay hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici