- Publicité -
mardi, janvier 6, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna sy Kandreho : Tsy nahitana korontana sy lozam-pifamoivoizana nandritra ny fety

Maevatanàna sy Kandreho : Tsy nahitana korontana sy lozam-pifamoivoizana nandritra ny fety

Niezaka nanome toromarika ho an’ireo mpitandro ny filaminana miasa eny kianja ny lehiben’ny vondrotobim-paritry ny zandary eto Maevatanàna sy ny any Kandreho, alohan’ny fetin’ny farany taona sy ny taom-baovao teo. Naparitaka manodidina any amin’ny  » Zana-tobim-paritra, Tombim-paritra sy ny eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, manao fisafoana mba hisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana, fanakorontanana, fanafihana, vaky trano, halatra omby, lozam-pifamoivoizana, ireo Zandary.  » Hatreto tsy dia nahitana fitarainana na zava-niseho mikasika ireo trangan-javatra notanisaina etsy loha, toy ny korontana, ady sy ny lozam-pifamoivoizana nandratra na namoizana ain’olona, resaka fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao ny teny anivon’ny biraon’ny Zandary. Tsy nahitana fanafihana sy halatra omby ihany koa ny manerana ny vondrontobim-paritry ny Zandary eto Maevatanàna sy Kandreho, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa tsy mijanona hatreo ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany fa mitohy isan’andro hatrany na andro na alina, raha ny fampitam-baovao vaoray avy tamin’ny lehiben’ny vondrotobim-paritry ny zandary eto Maevatanàna sy Kandreho hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici