- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Taolam-paty iray gony htia tao anaty kirihitr’ala

Maevatanana : Taolam-paty iray gony htia tao anaty kirihitr’ala

Taolam-paty iray gony no hitan’ny lehilahy iray nandeha nivoaka, tao antsinana’ny pylone, ao amin’ny fokontany Ambalabongo, Kaominina Berivotra 5X5, Disitrikan’i Maevatanàna, ny Alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ Atoa Parany Rodin Stanisilasy mpampianatra ao amin’ny CEG Berivotra 5X5, dia tao anaty kirihitr’ala no nanafenana izany. Nisaina teo imason’ny sefom-pokontany sy teo anatrehan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ary ny manampahefana tany an-toerana ireo taolana ireo. Hita tamin’izany ny taolan-dava miisa 75 miaraka tamin’ny taolana madinidinika maromaro. Araka ny nambaran’ny Atoa Parany Rodin Stanisilasy taminay ihany, dia razana manodidina ny folo eo no nakana ireo taolana ireo. Ny teny amin’ny manodidina anefa dia tsy naharenesana vaky fasana hatreto. Heverina, araka izany, fa tany an-toeran-kafa no nakana ireto taolana ireto ary mety notadiavana mpividy, dia izao hitan’ny fokonolona. Nalevina avy hatran y ireo taolana taorian’ny fanadihadiana natao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici