- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Taxi-brousse voatafika, maty voatifitra ny mpamily

Maevatanana : Taxi-brousse voatafika, maty voatifitra ny mpamily

Miverina indray ny fanakan-dàlana eny amin’ireny lalam-pirenena ireny. Ny talata lasa teo, fiarabe nitatitra mpiantsena no lasibatry ny jiolahy  10 samy nirongo basy teny amin’iny lalam-pirenana faha-4 iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ikalamilotra, ao amin’ny kaominina Berivotra, niaraka tamina taxi-brousse iray, ho any Port-Berger. Toerana tsy lavitra an’i Maevatanana. Vokany, vola teo amin’ny 10 tapitrisa ariary teo no lasan’ireo jiolahy. Maty voatifitr’ireo olon-dratsy kosa ny mpamilin’ilay fiarabe. Raha ny fampitam-baovao azo, dia avy namonjy tsena ity farany ary nitondra entana sy mpiantsena. Efa nandrasan’ireo olon-dratsy araka izany ity fiara ity ka avy hatrany dia nirotsaka an-tsehatra izy ireo raha vao nahatazana izany fotsiny. Tifitra variraraka no niantefa teny amin’ilay fiara ka nahavoa io mpamily io sy ny mpandeha tao anatiny. Nisy taxi-brousse nandalo teo amin’ilay toerana, saika hanavotra iretsy voatafika, kinanjo niharan’ny fanafihan’ireo olon-dratsy ihany koa. Olona telo no fantatra fa naratra mafy vokatr’ity fanakanan-dàlana ity tany Maevatanana ity, izay efa samy nalefa notsaboina tany Maevatanana avokoa. Eny am-pelan-tanan’ny zandary any an-toerana ity raharaha ity ary efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Fa mbola resaka fanakanan-dàlana hatrany, nitranga tamin’iny lalam-pirenena faha-13 iny, mampitohy an’Ambovombe sy Taolagnaro, omaly antoandro. Fiarabe iray ihany koa no lasibatra tamin’ity fanafihana ity, raha teo amin’ny toerana antsoina hoe Befangitra. Naratra voatifitra tamin’izany ny mpamily izay tafatsoaka, niaraka tamin’ny mpanampy azy. Raha ny vaovao azo dia efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici