- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Toeram-pivarotana 5 voatafika, lasan’ny dahalo ny entana rehetra sy vola 10...

Maevatanàna : Toeram-pivarotana 5 voatafika, lasan’ny dahalo ny entana rehetra sy vola 10 tapitrisa Ar

Notafihan’ny andian-dahalo nitam-piadiana indray tany Mangabe, distrikan’i Maevatànana, faritra Betsiboka, ny alin’ny talata hifoha omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny iray ora naraina, ka toeram-pivarotana miisa dimy no voaroba, ary lasan’ny dahalo avokoa ny entana rehetra tamin’ireo toeram-pivarotana niampy lelavola folo tapitrisa ariary. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia nandritra ny adiny roa ireo dahalo no niliba teo an-tanàna nandraoka entam-barotra sy remby tian’izy ireo. Ary nilaza ireo dahalo miisa 15 nanafika izay nampihorohoro ny mponina, fa tarika Menalamba hono izy ireo ary matanjaka no sady tsy lai-bala. Talohan’ny nandehanan’ireto mpambotry vahoaka, dia naka olona iray avy tamin’ireo mpivarotra dimy voatafika ireo mpanani-bohitra nentin’izy ireo  natao takalon’aina, mba tsy hahafahan’ny mpitandro filaminana manohitra azy ireo. Rehefa lasa lalana adiny iray mahery miala ny tanàna (tokony ho tany amin’ny 4 ora nahery tany ho any), dia navosotr’ireo dahalo ilay olona nataon’izy ireo takalon’aina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici