- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Tokantrano mitafo bozaka efatra, no may kilan'ny afo

Maevatanàna : Tokantrano mitafo bozaka efatra, no may kilan’ny afo

Trano efatra no may kilan’ny afo. Tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, Kaominina Maevatanàna voalohany,ny Zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny  mitataovovonana. Araka ny fantatra, dia « Batterie lehibe» nipoaka tao amin’ity tokantrano  ity no nahatonga ny loza, ka nitarika ny afo tamin’ireo tokantrano mitafo bozaka efatra. Araka ny fantatra, nandeha nivoaka ny trano ny tompon’ilay trano may voalohany. Tsy nanam-po izay zava-nitranga ny olona teo amin’ny manodidina, fa ny fipoahana baterrie sy afo efa nijoalajoala no hitan’izy ireo ary niezaka nanavotra ireo entana tao an-trano ny olona, saingy efa may kilan’ny afo ny entana rehetra, tamin’ireo trano efatra nifanakaiky. Hataraina kosa ny an’ny tompony trano raha nandre sy nahita, fa may ny tranony ary tsy vitan’izany, fa tsy misy azo noraisina ny entana. Tonga tany an-toerana niezaka namono ny afo ny fokonolona. Saingy tsy nisy noraisina ny entana rehetra. Nanokatra ny fanadihadiana mikasika ity hain-trano ity ihany koa ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitra avy tao an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici