- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Tovolahy anankiroa mpanao sinto-mahery sy mpanendaka tra-tehaky ny polisy

Maevatanana : Tovolahy anankiroa mpanao sinto-mahery sy mpanendaka tra-tehaky ny polisy

Efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2024 no nandrenesana tranga fanendahana sy sinto-mahery ary fanafihana mitam-piadiana teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, ka nampitaraina ny mponina eny amin’ny elakelan-trano eny. Ela ny ela fa nahitana vahaolana ny hetsika fampandriana fahalemana ny tany nataon’ireo polisy. Raha ny vaovao voaray hatrany teny amin’ny biraon’ny kaomisera, dia ny alahady 10 marsa 2024 teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, no voasambotry ny polisy ao amin’ny  » Brigade Régionale De Sécurité Publique Betsiboka », teo amin’ny tohatoha-bato manamorona ny Pharmacie Tantely, ao amin’ny fokontanin’Andranomangatsiaka, ireo tovolahy miisa roa, nanendaka vehivavy avy nivarotra  » kafe » tany Antanimbary, nanararaotra nivarotra ihany koa, rehefa avy namonjy tsena tany amin’ny toerana voalaza etsy aloha. Polisy nanao fisafoana no naheno ny antso vonjin’ilay ramatoa, ka nifanenjehan’ny polisy sy ny fokonolona teny amin’ny manodidina izy roa lahy, ary vola tao anaty paoketra mitotaly iray tapitrisa ariary, izay nisotomana tamin’ny sabatra, no tratra teny amin’izy ireo. Tonga dia naverina tamin’ny tompony avy hatrany izany. Marihina fa fiampangana efatra sosona nisesy teto Maevatanàna no anisan’ny anenjehana azy ireo, satria rehefa nantsoina ireo olona lasibatra tamin’izany, dia voamarina teny amin’ny biraon’ny kaomisaria, fa izy roa lahy no anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana niaro sinto-mahery, fanafihana mitam-piadiana. Eo amin’ny 22 sy 24 taona eo ireto olon-dratsy ireto. Tsy mikely soroka hatrany ny polisim-pirenena aty an-toerana amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny minisitry ny fialminam-bahoaka amin’ny famongorana ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra moa dia nitondra fanentanana Atoa Kaomisera Peggy amin’ny tokony tsy hisalasalan’ny mponina mintso ny laharana maitso 017 avy hatrany rehefa mahita fitrangan-javatra hafahafa sy mampihahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici