- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Tratran'ny polisy ilay lehilay ikoizana amin'ny famaky trano

Maevatanàna : Tratran’ny polisy ilay lehilay ikoizana amin’ny famaky trano

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy aty amin’ny renivohi-paritra Betsiboka. Noho ny firongatry ny vaky trano sy fangalarana omby ary fanendahana, niseho teto Maevatanàna tao ho ao, dia tsy nikely soroka tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny polisim-pirenena aty an-toerana. Maro ny taratasy fitarainana voaray ny mpitandro filaminana araka ny vaovao voaray. Nisy hetsika manokana natao izay tsy miovoana amin’ny tanjona apetraky ny ministeran’ny filaminam-bahaoka. Isan’izany ny fanakakaizana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana polisy eny ifotony mba hahazoana vokatra tsara. Ankoatran’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezana loharanom-baovao mikasika ireo jiolahy mirenireny eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Nahitam-bokany izany satria nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy lehilahy iray ikoizana amin’ny famakiana trano. Voalaza fa manana fanafody gasy, izay ampiasany amin’ny asa ratsy ataony. Tamin’ny herinandro no tra-tehaka ity jiolahy voalaza etsy ambony ity, ikoizana amin’ny famakiana trano, halatra solosaina sy kojakoja an-tokantrano, baterin’ny faonina. Tany amin’ny kaominina Antanimbary, izay hikasa hitsoaka hoan’ny Antananarivo no saron’ny polisy izy. Raha ny vaovao voaray, dia tsy mifidy entana hangalarina io lehilahy io, fa izay tojo azy dia robainy sy ataony mitondra faisana avokoa. Raha ny fantatra, dia efa nigadra matetika noho ny resaka halatra miaraka amin’ny herisetra sy fanolanana, nefa isaky ny tafavoaka ny fonja izy, dia mamerin-keloka manohy ny asa ratsy hatrany. Efa natolotra ny fampanoavana tamin’ity herinando ity izy ka niditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fepotoana hitsarana azy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici