- Publicité -
jeudi, mai 8, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna :  Tsy nanadino ny andro iraisam-pirenena hoan'ny fahalalan'ny asa fanaovan-gazety ny mpanao...

Maevatanàna :  Tsy nanadino ny andro iraisam-pirenena hoan’ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety taty Maevatanàna

Asa masina sy saro-pady no tanterahan’ny mpanao gazety, sady mitondra ny feon’ny tsy afaka miteny amin’ny fitakiana ny mangarahara, ary mijoro amin’ny zony halala. Nohon’izany dia tsy nanadino ny andro iraisam-pirenena hoan’ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety taty Maevatanàna, amin’izao fanamarihana sy fankalazana ny andron’ny faha 03 May izao. Ny marainan’ny Asabotsy lasa teo dia nifampitaona teny amin’ny kianjan’ny mahery fo 1947 ny mpanao gazety rehetra, izay nanatanteraka ny  » Carnaval, » niala avy eny amin’ny toerana voatondro no namakivavaky ny tanàna, toy ny teny amin’ny la place sy ny tany amin’ny Gare routière, ary niverina teny amin’ny toerana niangana, tamin’ny alalan’ny fiara tsy mataho-dalana sy ny bajaja no sady narahin’ny fiara 4×4 avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka. Ny tapan’ny hariva kosa dia nisy ny miara-manonja tamin’ireo radio rahavavy, tao amin’ny RTLB sy MRF eto Maevatanàna, amin’ny lohahevitra manao hoe: Fampalalam-baovao amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’izao tontolo izao ny fiatraikan’ny  » Intelligence artificielle, » amin’ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety sy ny orinasa an-gazety. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsy hay ny tsy hisaotra an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nanao ny fifanomezan-tanana tamin’ny mpanao gazety ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ka ireto avy izany: Ny tranom-barotra Bôscô, Ramatoa Solombavam-bahoaka ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, kaomandà kaompanian’ny Zandary eto Maevatanàna, lehiben’ny borigady ny Zandary aty an-toerana, ny polisim-pirenana, ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna. Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo sy fialana hetaheta kosa ny lanonana fankalazana ny andron’ny faha 03 May hoan’ireo mpanao gazety rehetra taty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici