Valo lahy tsy nisaron-tava nitondra basim-borona no nanafika tobim-bolamena, tao Antafian-drazaozy, fokontany Antafia,Kaominina Maevatanàna faharoa, ny Alatsinainy 16 lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina. Lasan’ireo jiolahy ny vola iray hetsy Ariary, ary Ramatoa efa lehibe no voadaroka, ka naratra mafy. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’Atoa Ramarson sefom-pokontany ao Maevarano, nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra ireo mpanafika. Ankoatra ireo vola, dia noroban’izy ireo koa ny fitaovana fiasana rehetra izay zakany tao an-toby. Voalaza fa tsy nanapoaka basy ireo olon-dratsy, fa ny fitsofana kiririoka no nasesin’ny eran’ny tobim-bolamena, ary nandeha nitsoaka nizotra ho any Atsimo ny dian’izy ireo. Fa Ramatoa iray moa no naratra voadaroka nanadritra ny fanafihana,ary efa nahazo fitsaboana aty Maevatanàna eny hopitaly.
Ratantely